Entrée | 1 Ry fahafahana |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
Auteur |
4 Andriamanantena Georges |
Texte complet |
5 Matokia, ry Fahafahana, 6 rahavavim-pivavahana! 7 Fa tsy ho moana 8 na ho foana 9 ao anatiko ao 10 ianao. 11 Holalaiko 12 sy hohajaiko 13 ka harovako 14 io ho lovako. 15 Fa raha ny peniko no halaina 16 an-tenin'aina, 17 ka didiana 18 sy tsindriana 19 tsy hanoratra anao, 20 d'henoy izao: 21 Io ny molotro 22 atolotro 23 hivazavaza 24 sy hanazava, 25 ka hiteny 26 ombieny ombieny 27 ny hasarobidinao 28 sy ny anara-masinao... 29 ka matokia 30 doria doria! 31 Fa na rahonana aho na tairina 32 ka ny molotro hozairina 33 raha miteny 34 anao ka reny, 35 lazaiko anao 36 fa mbola hanao, 37 hanaram-po 38 tokoa tokoa 39 ny hohon-tanako 40 an-kavanako, 41 hivikiviky 42 ka hikiky 43 rindrin-tany 44 sy handrin-tany, 45 vatan-kazo 46 sy izay azo 47 ametahana 48 ny Anaranao, ry Fahafahana! 49 Na ho penina hodorana, 50 na ho molotra hofatorana, 51 na ho tanana 52 hokantsanana... 53 tsy hampaninona 54 to'inona! 55 'Ngaha d'izany 56 monja ihany 57 no ahazoako manambara 58 anao hijoro hatrany am-para? 59 Ao ny masoko mijery 60 afaka hamindra hery. 61 Ao ny saiko, 62 ao ny aiko. 63 ao ny zanako, 64 taranako, 65 mbola hiady 66 sy hitady 67 ka hivonona hifandramatra 68 hibaiko izao tontolo izao. 69 Ka noho ianao 70 ny herim-ponja 71 dia ho " monja ", 72 ny letrezana 73 hihomehezana 74 satria tsy maintsy ampanjakaina 75 hatramin'ny fara fofon'aina 76 ny Herinao, ry Fahafahana! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |